<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Andeha raha maraina FFPM717</title>
<lyrics>[V1]
 Andeha raha maraina,
 Raha antoandro koa,
 Andeha raha hariva
 Hivavaka tokoa ;
 Fo marina no ento,
 Ario ny tahotrao,
 Miondreha ao an-trano,
 Ka mivavaha ao.

[V2]
 Tsarovy ny sakaiza,
 Ny havan-tianao ;
 Raha misy fahavalo,
 Mifona ho azy koa,
 Ka dia mangataha
 Ny soa ho anao,
 Jesosy Ilay Mpamonjy,
 Alao ho tokinao.

[V3]
 Na tsy irery aza,
 Fa be ny olona ao,
 Ka misy hevi-tsara
 Miposaka ao am-po,
 Ny hataka mangina
 Voaeritreritrao
 Ho ren'ny Rainao tia,
 Jehovah Tomponao.

[V4]
 Mba manatòna Azy
 Raha azon'ny manjo ;
 Tsarovy koa raha faly
 Hisaotra ao am-po ;
 Tsy misy hafaliana
 'Zay mamy toy izao ;
 Ny fahazoantsika
 Mivavaka aminy.</lyrics>
<hymn_number>717</hymn_number>
</song>